Teny tonga nofo (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Andriamanitra mahery, nahary izao rehetra izao.
Tsy mamela anay ho irery, fa miaro foana Ianao.
Indro havaoziko eto anio, ny fanompoako anao Jesoa.
Ka ilay TENY TONGA NOFO narotsakao tety.
No indro tonga ranon'aina mikoriana ao am-po.

Refrain:
Fiatsarambelatsihy, ny loto ao am-po.
Ialao avokoa, fa tsy misy mahasoa.
Oh mivavaha, miandrandra.
Ka antsoy ny Tompo, Ray oh.
Ianao no herinay, Ianao no tanjakay.
Esory daholo, izay mamatotra anay eh.
Ianao no tokinay, Ianao no aronay.
Olona afaka izahay eh, misaotra ry Ray.

2-Ry mpivahiny mihevera, mandalo izao rehetra izao.
Mbola hisy koa anie ny farany, zay hitsarana ny asanao.
Tazony mafy ny finoanao, raiso ny famonjena anao.
Ratrizay hiala ety handao zao tany izao.
Reo anjely marobe no indro hitsena anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Vangy : 493
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ruthkwl
Daty : 05/07/2022 15:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1307