Hatanorana (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

https://tononkira.serasera.org/hira/amaf/hatanorana-3

Ny voninkazo fanao amboara
No sarintsarin’ny hatanorana
Avelao izy hivelatra tsara e !
Raha mifaly izy aza rarana
Kanto ny felany tsara ny taho
Mamerovero sy manitra
Fa ny tsy mamitaka hatramin’izao
"Ny tenin’AndriaTsiky dia ampymanitra"

Koa mifalia ry zandry malala
Araraoty ny hatanorana
Nefa aoka tsy hihoatry ny vala e !
Mba irio ny ho ara-dalàna
Maro ireo anatra mety ho renao
Samy toa ohatran’ny marina
Fa ny tsy mamitaka hatramin’izao
"Ny tenin’Andriamanitra"

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Mpamaky : 4051
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : lebota
Tamin'ny : 07/11/2005 10:42:26
ID : 3337

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo