Ankosom-bolamena (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ry tendrombohitra tomandavana, jereo anie.
Somalomaloka mavamavana ka hoy aho hoe.
Satriko handriana ialana sasatra fa fatratra.
Reo ahi-maitso milenodenoka miapatra.

Ref: Mamirapiratra avokoa izao rehetra izao.
Ka manodoka mambabo fo.
Toa hoe tsy ho lao.
Nefa mihelina vetivety ihany.
Izay fiadanana hita teto an-tany.
Tsy izay rehetra manjelanjelatra dia kintana.
Tsy izay rehetra irian'ny fo dia faritana.
Andro mibaliaka, volana sariaka.
Samy mbola ho haizina avokoa.
Jereo, diniho, io lanitra io.
Antsoy ny Ray, ary anontanio.
Moa ve ry Ray any Aminao.
No hahitana fiadanana.

2. Ny loharano mangalahala ao an-dohasaha.
Mangarangarana mibotsiaka ka maha te hizaha.
Ireo voninkazo mamerovero sy manitra.
Satry holangosako, handravahako ny ankaniko.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Vangy : 507
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ruthkwl
Daty : 31/07/2022 07:20
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0756