Kidaombaramita (Zandry Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompokolahy sy tompokovavy salama tompoko o!
Indreto izahay efa manoloana miarahaba anareo
Tonga izahay avy any alavitra any hamangy anareo aty
Raiso amin-kafaliana re tompoko o!

Indreo ianareo Ray aman-dReny omem-boninahitra
Ao koa ianareo zoky sy zandry mahaleo mahalasana
Omeo tsodrano ny havanareo raha handray fitenenana
Mandrosoa hasina re tompoko o!

Réf :
Kidaombaramita kidaomità manatona avia zay sahy
Hiaraka hihirahira sy handihy hanao fampitaha
Kidaombaramita kidaomità , halalao ny kianja mihisakisaha
Tsy asiana ankanavaka na gasy na vazaha

Ka ny hira sy ny kalo no voandalana entinay
Ny angolampeo sy rangotra gitara no atambatra ho iray
Fenointsika hafaliana sy fihavanana ny fiarahana
Ka samy ho ela velona re tompoko
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Zandry Gasy
Visites : 481
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mbola Talenta
Date : 21/01/2025 05:11
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0186