You are here: home > Tononkira > Zandry Gasy

Hanina ny taniko (Zandry Gasy)

Manina anao aho ry tany malala tsy foiko
‘Lay tany fiaviako any ambadiky ny tsy tazako
Ka ny embona injao mitambesatra anatin'ny foko
Tomany fa mahatsiaro anao 'lay tanindrazako.

Manina e,  mahatsiaro aho e
Ny anaranao eo am-bavako
Manina e, ka manembona e
Asandrato ho anao isan’andro ntononkira.serasera.orgy tonom-bavako.

Raha ny alaheloko anao ‘zao no ho fongariko
Tsy  ampy hanoratako izany ny tononkirako
Fa ny aingam-panahy ao anatiko no ampakariko
Hanolotra hira ho anao ‘lay Gasikarako.

Manina e,  mahatsiaro aho e
Ny anaranao eo am-bavako
Manina e, ka manembona e
Asandrato ho anao isan’andro ny tonom-bavako.

Mpihira : Zandry Gasy
Mpamaky : 3393
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 27/02/2015 22:26:47
ID : 7223

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo