Mahereza (Zandry Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Noho ny ady ve dia hamoy fo ianao
Mikiriza sombinaina fa fombantany izao
Dia ny ady ve izay tsy maintsy atao
Dia ny ady ve no hampilofika anao

Fa any andro, any volana,
Iza moa no mety hahalala.
Tsy hisy intsony angamba ny olana.
Koa mahereza re ry malala.

Noho ny fahoriana ve izay tsy azo hidifiana
Aza kivy mitrakà fa ny eto fivahiniana
Dia ny ady ve izay tsy maintsy atao
Dia ny ady ve no hampilofika anao

Fa any andro, any volana,
Iza moa no mety hahalala.
Tsy hisy intsony angamba ny olana.
Koa mahereza re ry malala.

Noho ny tanintsika ve sa noho ny adin-tsaina
No mampisento anao, mitsangana sombinaina
Dia ny ady ve izay tsy maintsy atao
Dia ny ady ve no hampilofika anao

Fa any andro, any volana,
Iza moa no mety hahalala.
Tsy hisy intsony angamba ny olana.
Koa mahereza re ry malala.

N'inon'inona hitranga aza mba misalasala
Jereo ny lalan-kombana, mahereza ry malala
Dia ny ady ve izay tsy maintsy atao
Dia ny ady ve no hampilofika anao

Fa any andro, any volana,
Iza moa no mety hahalala.
Tsy hisy intsony angamba ny olana.
Koa mahereza re ry malala.

Koa mahereza re ry malala.
Koa mahereza re ry malala.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Zandry Gasy
Vangy : 7372
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 17/03/2020 22:00
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8321