Mba rahoviana (Zandry Gasy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba rahoviana e! Ty tany ityVao handry am-pilaminana ho doria
Mba rahoviana e! Ny olona ety
Vao hahay hifamela sy hifankatia
Fa ady antrano foana no
Hita etsy sy eroa
Korontan-dava mankarary loha
Fifamonoana , fifandrafiana
Herisetra sy habibiana
Fialonana , fifampiandaniana
Réf :
Fa mbola mino aho f'indray andro any
Hifarana hatreo reo jaly sy tomany
Fa mbola manantena aho
Fa hisy fianam-baovao
Feno hasambarana sy fiadanana
Hanjakan'ny fitiavana
Jereo ny zava-misy eto an-tany
Mampahonena sy mampitomany
Diniho ny manodidina anao
Fa miharatsy isan'andro lava izao
Sa ny olombelona ve no
Efa lany famindram-po
Ka tsy ao antsainy izay mba hifanasoa
Ny tenany ihany no hitany
Fa saingy tsy mba ho vitany
Ny hitia reo olona tsy tiany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Zandry GasyVangy : 60
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mbola Talenta
Daty : 21/01/2025 04:55
