SAMBATRA AHO (VETSOPANAHY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra aho fa manana Anao
Fa ato am-po tokoa Ianao
Feno ilay banga tanatiko ao
Jesosy ô mpamonjiko Ianao

    SAMBATRA AHO TOMPO MALALA Ô!
    FA ATO AM-PO TOKOA IANAO
    SAMBATRA AHO IZAHO TSY HIALA
    F’EO AMINAO MANDRAKIZAY

Lavitra Anao Tompo aho taloha
Alahelo ny fiainako
Fa ankehitriny navotanao
Ka afa-po tanteraka aho

Eo Aminao no fifaliako
Ts’isy azo oharina Aminao
Eo Aminao no tena tiako
Fahasambarako Ianao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856