hidera, hankalaza anao ry Tompo (Vetson'ikopa antoko mpihira)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hidera anao ami-foko rehetra aho Ireo zava-mahagaga nataonao
Nangina ireo fahavalo
Nandresy ny fahamarinanao
Ianao no hialofan’ireo osa
Miaro ireo izay matahotra
Ireo rehetra miantso anao dia henoinao
Tiavinao mandrakizay
Anio dia hisaotra anao zahay
Hidera, hankalaza ny Voninahitrao
Ianao ilay aro, hiraiko ianao
Ny foko tsy hitsahatra hidera anao
Ianao mitoetra ambony indrindra
Mitsara am-pahamarinana
Itarainan’ireo tra-pahoriana
Fanantenana ho azy ireo
Manjakà ry Tompo ô
Anio, mandrakizay
Manerana ny tany
Ny indrafonao
Hihira aho ho anao Mpamonjy ahy
Fahasoavanao no nahatoy izao ahy
Anio dia hisaotra anao zahay
Hidera, hankalaza ny Voninahitrao
Ianao ilay aro, hiraiko ianao
Ny foko tsy hitsahatra hidera anao
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Vetson'ikopa antoko mpihiraVisites : 24
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Xtella
Date : 24/02/2026 18:21
