hidera, hankalaza anao ry Tompo (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hidera anao ami-foko rehetra aho
Ireo zava-mahagaga nataonao
Nangina  ireo fahavalo
Nandresy ny fahamarinanao

Ianao no hialofan’ireo osa
Miaro ireo izay matahotra
Ireo rehetra miantso anao dia henoinao
Tiavinao mandrakizay

Anio dia hisaotra anao zahay
Hidera, hankalaza ny Voninahitrao
Ianao ilay aro, hiraiko ianao
Ny foko tsy hitsahatra hidera anao

Ianao mitoetra ambony indrindra
Mitsara am-pahamarinana
Itarainan’ireo tra-pahoriana
Fanantenana ho azy ireo

Manjakà ry Tompo ô
Anio, mandrakizay
Manerana ny tany
Ny indrafonao

Hihira aho ho anao Mpamonjy ahy
Fahasoavanao no nahatoy izao ahy

Anio dia hisaotra anao zahay
Hidera, hankalaza ny Voninahitrao
Ianao ilay aro, hiraiko ianao
Ny foko tsy hitsahatra hidera anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0331