Tsy ho voatàna (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rahoviana, kely sisa dia hoavy ilay paradisa
Mbola maro be no tsy nandre ka hiezaka aho ny hampita.
Matahotra anefa aho, fa tsy ataoko hanakana ahy
Mba hazoto hizara ‘lay vaovao tsara hivavaka aho, ho sahy
Ref : fa ‘lay afo ao anaty miredareda mafy,
Mandora ka tsy ho voatàna
Ny hafam-po tsy ho faty, hiteny tsy an-kiato
Hizara ilay hazavana (ououou) fa tsy ho voatàna.
Maneran-tany am’izay no hiderantsika ny Ray
‘Zao aloha karohy, tadiavo, antsoy
Izay vonona ny handray.
Ref : fa ‘lay afo ao anaty miredareda mafy,
Mandora ka tsy ho voatàna
Ny hafam-po tsy ho faty, hiteny tsy an-kiato
Hizara ‘lay hazavana (ou ou ou) fa tsy ho voatàna.
(Choer : oh oh oh)
Fotoana kely sisa, ka tsy havela hihena (choer : ka tsy avela hihena)
‘Lay zoto-po tsy ho ritra, tsy ho voafefy
Tsy mba ho lefy.

fa ‘lay afo ao anaty miredareda mafy,
Mandora ka tsy ho voatàna
Ny hafam-po tsy ho faty, hiteny tsy an-kiato
Hizara ‘lay hazavana (ououou) fa tsy ho voatàna
Fa tsy voatàna ououou fa tsy voatàna.

(Oktobra 2023)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tvbroadcasting
Visites : 120
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : raniNi1
Date : 23/04/2024 17:34
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1093