Aleo aloha ny androany (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Tontolo tsisy fijaliana… Tany paradisa.
Ef’ela aho no nahalala fa… Fa efa kely sisa.
Fa tebiteby ny isan’andro
Dia takona any ilay masoandro.
Ka manontany hoe aiza foana?
Ela loatra ilay fotoana,
Fa Jehovah nge eo foana.
          
Ref :Koa mivavaka aho ,amin’ny fo
       Raha toa ka mihena ny finoana
       Izy foana no antsoina.
       Fa izy anie no vatolampy
       Ny teniny eo hampahery
       Dia ‘reo namana hanampy.
       Koa miezaha mba tsy hanahy izay ampitso
       Fa izay mitranga androany,izay no hatreho dia aleo izay ihany.
       Fafao ny tomany.Aleo ‘loha ny androany.

2-‘Zay zavatra mahafaly anie… dia maro tanisaina.
Dia izay ihany no hifantohy… na dia mafy izay sedraina.
Fa Jehovah tena tia ,
nomeny anao izay tsara indrindra.
Ny zanany aza no nafoiny
Matokia azy dia ho tony.
Aza manahy intsony.

Ref :Koa mivavaka aho ,amin’ny fo
       Raha toa ka mihena ny finoana
       Izy foana no antsoina.
       Fa izy anie no vatolampy.
       Ny teniny eo hampahery
       Dia ‘reo namana hanampy.
       Koa miezaha mba tsy hanahy izay ampitso.
       Fa izay mitranga androany,izay no hatreho dia aleo izay ihany.
       Fafao ny tomany.Aleo ‘loha ny androany.                  *2
       Aleo ‘loha ny androany.

JWBroadcasting May2019
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tvbroadcasting
Visites : 952
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : raniNi1
Date : 17/05/2019 15:32
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0762