MITRAKA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nampifandimbiasina handalo eo amin'ny fiainantsika
Ny alina mikitroka sy feno haizina ary ny andro mibaliaka
Na ny fararanom-pijinjana, na ny lohataonam-pifaliana
Na ririnina mamirifiry mafy na ny andro itomaniana
Nampifandimbiasina f' izany,
raha mbola eto an-tany

Lany ny andro niarahana, tafasaraka ny aina
He mihintsana ny vony, he milofika fa maina
He miraraka ny ranomasonao mahita nofo mangatsiaka
Tsy afaka miteny intsony tsy mandre, tsy maheno tsy mahita
Fa nampifandimbiasina f' izany
raha mbola eto an-tany

Toa tsy mety mino ihany, toa tsy manan-ko tenenina
Te hikiaka hitomany, mbola te hiala nenina
He nirodana sy rava vetivety ilay tsy misy mahasolo
Na ny nofinofy sy ny fikasana, samy rava teo daholo,
Fa nampifandimbiasina f' izany
raha mbola eto an-tany

Ny fisarahana miseho androany, ny fahoriana izay mitranga
Na ny masonao izay mitomany, na ny toerana izay banga
Lalana itondrany anao, fandaharany ho anao
Mitraka f' Izy momba anao

Soa fa mbola manantena anao, soa fa misy ny finoana
Fa ny havanay malalanay, efa lasanao nantsoinao
Mbola hitsangana any aoriana
Ho velona mandrakizay.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 784
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 24/12/2019 20:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0753