Ndao (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ndao

1. Ry olombelona, ndeha hivavaka
Ny Tompo Jesosy dia tsy manavaka
Fa Izy milaza, fa tia anao
Ka manantona ianao
Ny fanahiana dia ialao
Fa indro Jesosy no momba anao

2. O! Ry mpanota ndeha hibebaka
Ialao ny ratsy ka ndao hiezaka
Ny Tompo Jesosy no nandao
Ny lapany soa mba hamonjy anao
Ny ràny mihintsy no nalatsaka
Hahatonga anao ho olon'afaka


3. O! Ry mpivavaka ndeha hifaly
F'ilay Tompon-tsika efa nijaly
K'atolory Azy ny fiderana
Hirao ny hoby sy ny hosana
Mendrika ho Azy ny haleloia
Anio ny teniny dia henoy
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FANANTENANA ANTSA-FI
Visites : 175
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Touknambs
Date : 05/03/2025 09:45
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1486