Manantona (FANANTENANA ANTSA-FI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manantona

1/ Ho anao 'zay very hevitra ka mila hamoy fo
He tonga ho anao ny fahazavana lehibe
Andeha mitsangana ka dia hatrakao ny loha
Fa ho toriako anio ilay fitiavan-dehibe x2

Ref :
Jesosy anie ka faly raha ho avy ianao
Ny tanany mitsotra mba handray anao izao
Ny Ràny Masina no efa latsaka ho anao
Ka manantona manantona ry mpanota ô!


Mandalo sy miserana ny andronao ety
Vahiny ihany isika fa tsy mponina eto
Hotsaraina avokoa 'zay vitanao tety
Ka miovà sy mibebaha mba tsy ho arahin-tsento x2

Ref :
Jesosy anie ka faly raha ho avy ianao
Ny tanany mitsotra mba handray anao izao
Ny Ràny Masina no efa latsaka ho anao
Ka manantona manantona ry mpanota ô!

Jesosy anie ka faly raha ho avy ianao
Ny tanany mitsotra mba handray anao izao
Ny Ràny Masina no efa latsaka ho anao
Ka manantona manantona ry mpanota ô!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : FANANTENANA ANTSA-FI
Visites : 175
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Touknambs
Date : 13/01/2025 09:18
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1584