Ry Fanahy Masina ao ambony 0023 (BOKIN-KIRA FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Ry Fanahy Masina ao ambony
Irak'i Jesosy Tompo,
Izahay aty dia mila vonjy,
Hafanao, hatanjaho!

2 Ry Fanahy Masin-janahary,
Hazavao re ny sainay,
He! ny fonay osa, sy marary
Mba sitrano handresenay.

O! ry afo Masin'i Jesosy
'Zay irin'ny firenena,
lasanao koa re 'ty Nosay,
Mba handray ny famonjena.

Fiv Ry Fanahy Masina ô! midina
   Hanafana, hampahery
Fa ny fo lazolazoam-pahotana
   O! vonjeo, sao very
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0818