Andriamanitra Masina (Antsan'ny Serafima Tangaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Masina ny Tompo Andriamanitra e!
Mampiray antsika mba ho zanany!
Tsy mba manampetra ny fitiavany
Ilay mpamindra fo ary tsy manary.

Lehibe tokoa ny voninahiny.
Sarobidy loatra Ray ô! Mankadiry.
Tsy takatry ny saina izany heriny
Ilay nahary ny tany sy lanitra.

Fiv : Ny Zanakao ry Ray ô!
       Ny fanahy ry Ray ô!
       Natolotrao ho anay ô!
       Hamonjy anay.
       Nanafaka ry ray ô!
       Ny fahotana.
       Nampitombo ny finoana
       Mba tsy hiova Ray ô!

Masina loatra ianao ry Ray
Mitondra anay ho amin'ny lalanao,
Ny foko sy ny fanahy hanompo Anao.

A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antsan'ny Serafima Tangaina
Visites : 87
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tefy606
Date : 08/10/2024 14:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0803