Andriamanitra Masina (Antsan'ny Serafima Tangaina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Masina ny Tompo Andriamanitra e!Mampiray antsika mba ho zanany!
Tsy mba manampetra ny fitiavany
Ilay mpamindra fo ary tsy manary.
Lehibe tokoa ny voninahiny.
Sarobidy loatra Ray ô! Mankadiry.
Tsy takatry ny saina izany heriny
Ilay nahary ny tany sy lanitra.
Fiv : Ny Zanakao ry Ray ô!
Ny fanahy ry Ray ô!
Natolotrao ho anay ô!
Hamonjy anay.
Nanafaka ry ray ô!
Ny fahotana.
Nampitombo ny finoana
Mba tsy hiova Ray ô!
Masina loatra ianao ry Ray
Mitondra anay ho amin'ny lalanao,
Ny foko sy ny fanahy hanompo Anao.
A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Antsan'ny Serafima TangainaHits : 104
Likes : 0 Like
Created by : Tefy606
Date : 08/10/2024 14:43