Antsao (Antsan'ny Serafima Tangaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Antsao f'efa renay i Jesoa,
Ilay naharesy ny fasana
Tafatsangakovelona.
Derao ilay mpamonjy ahy sy ianao
Fa be voninahitra
Jesoa ilay mpanjakanay!

Anio, mankalaza Anao 'zahay
Ny hazo fijaliana masina
Ankehitriny nahavonjy anay.

Fiv : Saotra, dera ary voninahitra!
Ho Azy irery ny Hery sy ny Haja.
Tompoko sy Andriamanitro
Ilay maharitra mandrakizay
Jesoa herinay.

Mientanentana ny ao anatiko ao.
Hafaliana no hasetrin'ny olonao.
Hazavana no indro miposaka.
Jesoa Tompo hanafaka anao.

Antsao f'efa renay i Jesoa,
Ilay naharesy ny fasana
Tafatsangakovelona.
Derao ilay mpamonjy ahy sy ianao
Fa be voninahitra
Jesoa ilay mpanjakanay!

A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Serafima Tangaina
Vangy : 47
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tefy606
Daty : 08/10/2024 15:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1301