HIDERA SY HANKALAZA (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hidera Anao sy hankalaza Anao izahay Jesoa
Fa fialofako mandrakizay Andriamanitro
Ka tsy hitsahatra ny hihoby Anao ny feonay
Fa Ianao no Ray mpiaro mpanjakanay

Hidera Anao sy hankalaza Anao izahay Jesoa
Fa fialofako mandrakizay Andriamanitro
Ka tsy hitsahatra ny hihoby Anao ny feonay
Fa Ianao no Ray mpiaro mpanjakanay

Ry Tompo o raha izahay dia tsy hiala eo Aminao
Fa hiara-dalàna hatrany ka mba ho tonga an-danitra any
Fa mahasambatra tokoa anie ny mitoetra eo antranonao
Mahazo hery sy ny fiadanam-be
Ny famindram-ponao Jehovah o hitoetra aminay
Fa Ianao no Ray mpiaro ampinganay

Tsy mba misy hampahory anay raha Jesoa mitantana
Fa fiadanam-po tsy hita lany no hameno ny andronao
Mitadiava azy dieny izao miantso ny anarany
Fa Izy no mpamonjy anao mpanavotra

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 676
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zeea
Daty : 09/07/2019 10:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4267