Ry Petera (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Petera ô!
Moa va ny fitiavanao an'i Jesoa, dia tena niova tokoa
Nafana avy eo nangatsiaka,
Ry Petera ô!
Fa nandà in-telo ianao, Tsy nahatsiaro ny voady natao
Ka indro fa nolavinao , Ny Tompo Mpamonjy mpanavotra anao

Na i Dada sy i Neny, Na izaho na i zoky na i zandry
Dia votsa sy mbola adala
Mitovy aminao ry Petera ô!
Fa isika milaza fa mpino kanefa minia manadino
fa tsy latsa-paka tam-po
Ny finoantsika ka toa mora lo

Ry vahoaka ô! ô! ry mpino
Ry kristiana mafana fo, Isika anie no Petera e!
Mijoro avy eo dia mianjera eh!
ilay Petera lay nandao dia nibebaka sy mitalaho
Ary tonga Petera vaovao
F'isika izay misalasala , no mbola ho Petera adala
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 2802
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : ainaericrajoelison
Date : 30/03/2016 16:43
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732