Jeso no Mpanjaka (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho Anao ho Anao ry Jeso zanak'i Davida ô
Ny hosana fiderana ho Anao mandrakizay
Ravanao ny hajambana izay nahamaizina izao tontolo izao
Mazava lehibe no he atolotrao

Mivelatra izao ny lamba
Ho fandiavan-tongotrao
Ho marika sy fanajana
Fa Anao izao tontolo izao
Ianao, Ianao
Ianao Jeso ilay Mpanjakanay doria

Asandrato ny feo ry olombelona mpanota ô
F'indro tonga ho antsika famonjena lehibe
Raiso ao am-ponao izao
Fa tsy ho very ny ainao
Lanjany avokoa ireo ratsy vitanao

Vahoaka maro no mifaly
Manandratra hosana ao
Fa afa-gadra afa-jaly
Ka zovy no tsy hidera izao
Ianao, Ianao
Ianao Jeso ilay Mpanjakanay doria.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 313
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : tokyrajoelison
Date : 28/05/2023 08:53
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776