Tsy misy tsy diso (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny ondry mania tsy misy mpamerina.Toa olona maty tsy misy mpanirina.
Avelan'ny hafa hitamberimberina,
tsy manana zahatra mba ho fikirina.
Fa manan-jara è reo lavo tafarina ihany,
Nanaiky nanoina rehefa nantsoina ô.
Tsy misy tsy diso raha mbola eto an-tany, zay mibebaka kosa voavela.
Fa è mananjara tokoa, ny manana mpamerindoha.
Nania nefa tiany, ka mbola iangaviany mba hamonjy ny akaniny indray.
Fa tretrika loatra zay misy mpampody.
Mamela ny heloka sy ny hadalana,
Tsy arahana fondro tsy arahana tody,
Vohaim-baravarana midanadana.
Fa manan-jara è reo lavo tafarina ihany,
Nanaiky nanoina rehefa nantsoina ô.
Tsy misy tsy diso raha mbola eto an-tany, zay mibebaka kosa voavela.
Fa è mananjara tokoa, ny manana mpamerindoha.
Nania nefa tiany, ka mbola iangaviany mba hamonjy ny akaniny indray.
Tsy fidiny mantsy 'reo lasa manjeny,
Tsy misy manoro ny lalana tsara;
Manao hadalàna tsy misy mpiteny;
Entanin'ny ditra ny tsisy mpandrara.
Raha mbola misy koa antso miantefa ao an-tsaina,
Meteza hanoina, maity sombinaina ô,
Tsy misy tsy diso raha mbola eto an-tany, zay mibebaka kosa voavela.
Jordan
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy FivavahanaVisites : 640
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ruthkwl
Date : 05/07/2022 15:34