Tranon'Andriamanitra (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na trano bongo, na valozoro.Na trano hazo, na koa falafa.
Dia tiako ihany ny tranon-dRaiko.
Feno hamamiana sy hafaliana.
Trano madio sy masina.
Natokan'ny Ray hikoloana anay.
Raha misy izay manao tsinotsinona
Ny tranon'Andriamanitra dia lozany.
Ny tranon'Andriamanitra natao
Ho fanandratam-peo, ho fiderana.
Ho fiderana ny anarany.
Asandratray izao hira izao.
Ho fanehoana ny hatsarany.
Fa vatolampy tsy mba miova.
Fa manan-jina ny tranon-dRaiko.
Trano madio sy masina.
Natokan'ny Ray hikoloana anay.
Masina ny tranon'Andriamanitra.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy FivavahanaVisites : 568
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ruthkwl
Date : 21/07/2022 23:18
![](https://tononkira.serasera.org/media/tononkira/o/amaf.jpg)