Andro lehibe tokoa (AMAA [Antoko Mpihira Avaratr' Andohalo])

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia G

Andro lehibe tokoa
No tsarovantsika anio
Tompo sy Mpanjaka koa
Nandao ny lapa ka nankaty (Nandao lapa nakaty)

Hobio tokoa, hobio tokoa
'Lay Mesia Mpamonjy
Asandrato ny feo sy fo
Hankalaza Mpanjakan-danitra

Mifalia ry mino ô
Fa Jesoa nomena anao
Koa raiso ao am-po
Fa mety mba ho sakaizanao (Mety ho sakaizanao)

Hobio tokoa, hobio tokoa
'Lay Mesia Mpamonjy
Asandrato ny feo sy fo
Hankalaza Mpanjakan-danitra

Hobio tokoa, hobio tokoa
'Lay Mesia Mpamonjy
Asandrato ny feo sy fo
Hankalaza Mpanjakan-danitra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMAA [Antoko Mpihira Avaratr' Andohalo]
Visites : 1853
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : rvnjr
Date : 23/08/2014 15:40
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0341