MAHATSARA (Salamo, 73;28a) (AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1/ Ambinina ka mirehareha ny ratsy fanahy,
Mihevi-tena ho tompon'ny harena hambaboana ahy.
Toy ny lavi-pahoriana, miaina am-piadanana;
Anefa loza sy haratsiana no mibahana.

2/Hianao irery no mahefa ny mahatsara ahy;
Ny fahefana rehetra, Anao ry Ray.
Ka na sedram-pahoriana, mino matoky Anao.
Fa amboaram-pifaliana no hitondranao.

Ref.
Na harena na fahantrana, fahoriana mandifotra ahy.
Manana ny fanantenana aho, ao Aminao, ry Ray;
Fambaboana ataon'ny satana; tsy hataoko hanintona ahy.
"Fa ny MAHATSARA ahy, ry Raiko dia ny ankaikinao".
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AFAS - Antsan'ny FinoanA Soavina
Visites : 104
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : fanafy
Date : 16/09/2024 12:51
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0928