tano ao am-po (Vetson'ikopa antoko mpihira)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo ô nambaranao fa ianao dia mitoetra
amin'ny olo-marina sy izay mahitsy fo
Mankato ny teninao.
fa ianao dia tsy tonga mba handrava ny làlana,
fa hanatanteraka ,ary koa hampianatra
an 'izay voasoratra.

tano ao am-po ny didin-janahary
fa fototry ny soa ho an'izay matahotra azy
lehibe ny fahendreny, ary izy no mahefa ny zava-drehetra.
sambatra loatra ny mitandrina ny teny
manao ny marina, Mankato izay nekeny
tsy mivadibadika, na miniana tsy ho to.
rehefa eny dia eny.

ilay Fanahy fahendrena no torianay eto izao.
Fahendrena lalina, sarotra takarina
tsy an'izao tontolo izao
ho anao izay mihaino sy mandray ny teniny
dia tsy foiny mba ho very ,
fa ny tanany mahery no hiahy sy hiaro anao.

tano ao am-po........
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Vetson'ikopa antoko mpihira
Hits : 127
Likes : 0 Like
Created by : Xtella
Date : 29/01/2024 20:50
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716