Vitao Ny Hazakazakao (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
‘Zay nafoy aza sainina akory
Ny eo aloha no ifantohy, ny lalanao no izory.
Ny finoana hatanjaho, ialao ‘lay tontolo.
‘zay manavesatra anao avelao daholo.

Lasa ‘zao, tohizo hatrany tohizo ihany.
Ny hazakazakao, ’Ndao vitao hatrany amin’ny farany any!
Dia ‘lay lokanao foana no banjino, aza hadino
Ary aza varimbariana, ny lalanao hitsiana.
Dia aza ialana, sao hadalana.

‘Lay loka anie fitahiana avy am’ny Ray.
Zava-tsoa be dia be ho mandrakizay.

Lasa ‘zao ,tohizo hatrany, tohizo ihany.
Ny hazakazakao ,’Ndao vitao hatrany amin’ny farany any!
Dia ‘lay lokanao foana no banjino, aza hadino
Ary aza varimbariana, ny lalanao hitsiana.
Dia aza ialana, sao hadalana. ‘Ndao hanohy hatrany.

‘Ndraindray te hanery ‘zao tontolo izao.
Tsarovy fa ianao tiany ho very,
Tohizo foana ny lalanao.

Lasa ‘zao ,tohizo hatrany, tohizo ihany.
tohizo hatrany, tohizo ihany.
Lasa ‘zao, tohizo hatrany, tohizo ihany.
Ny hazakazakao, ’Ndao vitao hatrany amin’ny farany any!
Dia ‘lay lokanao foana no banjino, aza hadino
Ary aza varimbariana, ny lalanao hitsiana.
Dia aza ialana,sao hadalana.
‘ndao hanohy hatrany, ndao fa aza miala.
(‘ndao foana,’ndao foana ee!)
‘lay loka efa miandry any,
F’andao dia aza miala, tohizo ihany(ooh)tohizo ihany.
Koa ‘ndao iezaho, dia vitao.
Ny hazakazakao .

JWBroadcasting November 2020
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tvbroadcasting
Hits : 625
Likes : 1 Like
Created by : raniNi1
Date : 19/12/2020 01:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715