Fianakavian’i Jehovah (Tvbroadcasting)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Nofy ve sa mety ho hita ihany:

Namana tsy hahafoy ahy, na faly aho na tomany?

Tsy mba hoe namanamana io fa tena tia,

Hoe fianakaviana. Mba hisy ve sa tsia?

2.Nitady, nitady aho. Rehefa ela ny ela...

“Tonga soa!”, “Iza moa?”... Dia nandray ahy ny rehetra;

’Ray famindra sy iray saina ary iray fo.

Io fa hitako ihany! ’Lay nofinofy tena to.

(TETEZANA)

Dia ’zao aho manana ray sy reny. ’Zany anie ka miahy!

Rahavavy ary anadahy, tena hoe tia ahy;

Tsy iray ra, tsy mba iray loko, nefa akaikin’ny foko.

Jehovah no Rainay! Faly izahay tafaray.

3.Fitia mifamaly, avy ao am-po;

Ka iza no tsy ho tamana? Ny miala no hadalana!

Fa maneran-tany izahay miray hina.

Tena mahavariana! Tena hoe fianakaviana! Mmm…

(TETEZANA)

’Zahay tsy iray ra, tsy iray loko, kanefa dia iray fo.

Jehovah no Rainay! Faly izahay tafaray.

4.Mifankatiava, ampio koa re ny hafa;

Omeo fanantenana, tantarao fiovana:

Hoe Jehovah hanome fiainana ho doria.

’Sika mianakavy tsy hafoiny sanatria;

Tiany satria zanany ho doria,

Ho doria, Ho doria!

(Aprily 2022)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tvbroadcasting
Hits : 37
Likes : 0 Like
Created by : raniNi1
Date : 25/04/2024 17:32
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0774