MISY ANTENAIKO INTSONY VE ? (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy antenaiko intsony ve ety?
Misy hametrahako ny fo?
Ry mpamonjiko midina ka avia
He jereo ty mety lo

Handrandraiko anio ny loha
Hanantenana Anao Tsitoha
Fifalia-mihelina no hitako ety
Ry mpamonjiko avia

Fa ny faniriako dia fantatrao
Tsy miafina Aminao ny dia
Zay fanantenako dia hitanao
Ry mpamonjiko avia

Handrandraiko anio ny loha
Hanantenana Anao Tsitoha
Fifalia-mihelina no hitako ety
Ry mpamonjiko avia

Mampahory re izao tontolo izao
Inoko ny ho velona ety
Raha hadisoako izany, avela
Ry mpamonjiko avia

Handrandraiko anio ny loha
Hanantenana Anao Tsitoha
Fifalia-mihelina no hitako ety
Ry mpamonjiko avia
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0757