FAHASAMBARANA (RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1 Raha te ho voavonjy ianao, mila manao dingana vaovao
Ka adinoy avokoa, ireo toetra ratsinao taloha
izany dia tsy ho vitanao, na inon'inona fahaizanao
Raiso Jesôsy dien'izao, fa izy no hanafaka anao

REF:
Izay miankina amin'ilay Andriamanitra
No manana fiainan-tsambatra
Ka eto an-tany izao sy ianao dia efa misantatra
hitohy hatrany an-danitra any ny fahasambarana
Any tsy misy intsony izany adim-piainana
Tsy misy intsony fitarainana
ny saran-dalana mankany dia raisinao ety
Dia ny finoana an'i Jesoa Kristy

2 Ity zavatra lazaiko ity, dia mila anao handinika satria
Raha toa ianao ka hiova fo, mandalo fisedrana be tokoa
Kanefa aza taitra fa, Jesôsy anie ka tsy manary anao
Raha Izy no banjininao, tsy maintsy ho tafita ihany ianao

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Link:
Comments
Sandosantos ( 22/05/2023 12:29)
SVM-RF Bemasoandro Itaosy
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY
Hits : 418
Likes : 1 Like
Created by : Sandosantos
Date : 22/05/2023 12:25
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.076