Tsy manary anao Ny Tompo (Ny Feo Mamatonalina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesoa Tompo miantso anao koa manolora tena
Fa Izy anie tsy mba mandao antoky ny famonjena

Raha sendra tononkira.serasera.org fijaliana mba jereo Jesoa qlwmtpfj nihafy
Nefa, he nijinja fifaliana valin'asan'ny mpamafy

Aza kivy na malaina, eny mitoria ny Teny soa
Mazotoa mikely aina Tompo homba anao tokoa
Tahotra entin'ny satana 'zay nangeja hatrizay
Matokia pwpldbfi fa hovahana fa mahery anie Ny Ray

Raha sarotra ny dia aza mierika sao very
Ary, mahereza matokia Jesoa Tompo hampahery

Mitoria hatrany hatrany 'zany anie no efa nekena
Ary raha miala eto ziimc an-tany dia hisatro-bolamena

Raha sedraina ny fanahy amin'ireo loza maro be
Toa velon'ahiahy miantso vonjy toa tsy re
Mitsangana ry mpanompo 'zao no toky ho anao :
Tsy manary anao Ny Tompo fa miaraka aminao.

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0791