Fahafatesana mamiko loatra (Ny Feo Mamatonalina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fahafatesana mamiko loatra
Fahalevonako nefa mamboatra.
Fahafatesan'i Jesosy soa
io no batisa ka tiako tokoa.

Sendra ny ady mangotraka indrindra
Nefa faneva no enti-mamindra.
Mpitari-tafika tena mahay
Sady mpandresy koa Jesosy izay.

Ny jalijaliko nefa zakainy
Enta-mavesatro nefa sonainy.
Ny ranomasoko fafany ery
Sady ny rofy nalany tery.

Isan'andininy :
Indro fitiavana mandrakizay.
Mamelon-toky manomba sy hery
Nentin'ny Tompo namonjy ity very
Zary malala mpandova ny Ray
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Feo Mamatonalina
Hits : 556
Likes : 0 Like
Created by : H.A.J.
Date : 03/05/2022 14:41
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768