Zarako aza (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tezitra mafy ny namana sasany tonga dia mialaSatria misy toetra,
Tsy zakany loatra e
Izy ono anie tsy hiverina intsony fa izy tsy adala
Ka hiverina indray amin'ny efa nialana
Izy tsy adala e
Satria nisy teny nanindrona an'azy, toa manavakavaka
Sady toa izy foana
No andaniana fotoana e
Nilaozany mitsy, naleony nafoy ny fiaraha mivavaka
Fa oe tsy ato irery no oe fanompoana
Ka aleony soloina
Banjino lay Jesosy Tompon'ny asa e. Tsy olona anie no tompoina e
Tsy hijery zay ataon'ny sasany
Fa samy hotsaraina amn'ny asany e
Raha vao voatohina kely dia miozona vé ny finoany
Dia lasa mitady
Tany malemy hanorenampangady
Hey.
Samy mpanompony e, samy fatrapaniry ny zava-panahy
Tsika rehetra de tsy fanaperana e
Omeo lalana ny fahatezerana e
Miverena amin'ny fanompoana, aza mamono fanahy
Raha izaho de hiteny tsy misalasala
Zaho tsy hiala
Zarako aza efa eto o
Zarako aza nantsoina
Zarako aza mba isan'ny efa mahalala
Tsy voahozongozona ny ahy ny finoana e
Tsika hatrizay efa niara nanompo .Tsy hifampitsara
Tsy ho tapitra ho hay anie ny zavadrehetra. Fikiro mafy zay tsara e
Tsika efa niara-nitory e. Aza mihemotra miala aminay
Aza de maka fanahy ny Tompo fa toy ny manombo azy indray.
Eto aho no hiasa amin'ny kely mba haiko e
Zarako aza efa eto e
Ny talenta sy fahiratan'ny saiko e
Zarako aza efa eto o
Na ny fotoanako n'a ny fananako e
Zarako aza efa eto o
Sy izay mety ho vitan'ny tanako
Betsaka ny asa zay niarahantsika
Oyaiee ee e
Voninahitra ho an'ny Tompo zay vitæ e
Oyaiee
Tsika efa niaraka nanolotena
Oyaiee
Ka modia miverena.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Ny ANTSAN'NY FAMONJENAHits : 115
Likes : 0 Like
Created by : nyantsanfa
Date : 12/07/2025 20:12
