O MITSANGANA (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O Mitsangana, ( O ! Mihira )Ka mandehana ,( O Midera! )
Andeha torio ny filazantsara
Torio hatrany mba ho ren'ny vazan-tany ( hery ho anao, aina vaovao )
Torio hatrany mba ho an'ny manam-pofon'aina
Fa famonjena, ( tamin'ny ra)
No efa nomena, (nalatsaka)
Ho antsika izay efa voavidy
Kanefa be ireo izay tsy mahalala (mbola variana, toa tsy mba liana )
Kanefa ondry tokony ho ao am-bala
Torio eny rehetra eny
Ho re hatrany am-paran'ny tany
Ilay tantaran'ny filazantsara
Efa nafoiko ho anao
O mitsangana fa ny Tompo momba anao
Eny e! Izy momba anao, mitantana anao
Naniraka anao, manantena anao
Tsy mahafoy anao, mialoha anao
Azy ianao, asany no ataoanao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Ny ANTSAN'NY FAMONJENAHits : 653
Likes : 1 Like
Created by : nyantsanfa
Date : 20/01/2020 18:27