Tsara izy e (Ndriana Ramamonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandraisa toerana ianao
Dia hadinoy ny momba anao
Ny tebiteby, ahiahy mba avelao ivelany ao
Velaro ny tananao dia raiso koa ny tanako
Ny hirantsika androany miventy ny firaisam-po

Avia derao Izy e
Fa mampiray Izy e
Ilay Andriamanitra fitiavana, mampifankatia
Tsara izy e ...

Mandraisa toerana ianao
Ny masonao akipio
Santatr'ilay toerana io, izay mbola ho vantaninao
Fonenantsika ireo, iarahana manandra-peo
Mivavaka amin'ny Ray, ho sambatra mandrakizay

Avia derao Izy e
Fa mampiray Izy e
Ilay Andriamanitra fitiavana, mampifankatia
Tsara izy e ...

Mandraisa toerana ianao
Dia hadinoy ny momba anao
Ny tebiteby, ahiahy mba avelao ivelany ao
Velaro ny tananao dia raiso koa ny tanako
Ny hirantsika androany miventy ny firaisam-po

Avia derao Izy e
Fa mampiray Izy e
Ilay Andriamanitra fitiavana, mampifankatia
Tsara izy e ...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ndriana Ramamonjy
Hits : 27
Likes : 0 Like
Created by : Solofomandimby
Date : 23/12/2024 12:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1001