JEHOVAH RAY MALALA (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Jehovah Ray Malala tianay ô
O!mba henoy izahay mpianatrao
Handroso lalindalina ihany
Hamonjy ireo fanahy navotanao

2.Ny anaranao Jesoa izay Tompo indrindra
No entinay mamonjy marobe
Ny anaranao no entina hamindra
Ho vonona aho hiasa ho anao

3.Ekenay Tompo ny anjarasoa
Ny ho mpiara_miasa aminao
Eo aminao mionona ny fo
Ho vonona aho,hanao ny sitrakao

Ref: Vohay ny lanitrao Mpamonjy tia
Hatreho ny fotoana izay atao
Fanahy Hendry ô!mba manampia
Ny fiainanay ho voninahitrao

Havaozy ny fonay sy fanahy
Atolotray an_tananao ry Ray
Fanahy hendry ô!mba mitariha
Ho tody soa an_danitra ny dia
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny fiderana
Vangy : 188
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Tiannie27
Daty : 23/05/2023 11:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8115