ANAKA KATSAO IZY (Feon'ny fiderana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anaka raha raisinao ny teniko (araiketo)Araiketo am-ponao ny didiko
Ka atongilano amin'ny fahendrena (ny sofinao)
Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao
O! O! O! O! O! O! O!
Eny raha miantso ny fahalalana ianao
Ka manandratra ny feonao hahazo saina
Raha mitady Azy toy fitady volafotsy ianao
Raha mikatsaka Azy toy fikatsaka harena afenina
Dia ho fantatrao marina
Ny fatahorana an'i Jehovah
Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra
Fa Jehovah no manome
Ny fahendrena
Ary amin'ny vavany no hihavian'ny fahalalana
Sy fahazavan-tsaina!
A/C .. RAKOTOVAO Christian Bienvenue
--------
Link:
Comments
Tiannie27
(
30/05/2023 14:42)
Miarahaba tompoko,naika hanontany hoe fa maninona kay no misy hira tsy mipoitra ao anatin'ilay application nefa hoe efa tafiditra?misaotra indrindra
hery
(
30/05/2023 22:25)
Tokony mipoitra izy rehefa manindry an'ilay hoe haka hira vaovao ianao.
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Feon'ny fideranaHits : 408
Likes : 1 Like
Created by : Tiannie27
Date : 24/05/2023 20:18