Ny Famindram-ponao (Emit Mikalo Fiderana(EMIFI))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Maro tokoa, ny otanay ry Ray
Tsy mendrika, ny ho zanakao'zahay
Tsapanay tokoa, reo ditranay ry Ray
Mifona re, mivalo aminao'zahay

Ref :

Fa ny famindràm-ponao ry Ray, dia lehibe tokoa
Misaotra anao e izahay, fa nomenao izany
Fa ny famindràm-ponao ry Ray, dia lehibe tokoa
Misaotra anao e, misaotra anao'zahay


2. Ampianaro izahay, hahay hifankatia
Hanara-dia, an'i Jesoa Kristy
Hiray fo izahay, hahay hifandray
Ho sambatra, ao aminao mandrakizay
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1058