Ho tia aho (Emit Mikalo Fiderana(EMIFI))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa tsy misy fandresena toy izao
Mandray ny famonjena natolotrao
Tsy vitsy ireo misalasala
Iza no tsy mahalala
Fa mamitaka izao fiainana izao

Nefa raha amiko fantatrao
Fa mangetaheta ny hanompo anao
Tsy sanatria hoe noterena
fa tena fanoloran-tena
Ny amiko rehetra atolotro Anao

Na ho maro aza ireo tsy tia
Ndeha hivadika Aminao sanatria
Ity foko efa babon'ilay fitiavana tsy hatakalo
Ho tia Anao mandrakizay doria
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)
Vangy : 485
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fenosambatraelyse
Daty : 02/09/2021 12:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0711