Emit Mikalo Fiderana (Emit Mikalo Fiderana(EMIFI))

1. Faly ny fonay ry Ray
Misaotra anao zahay
Faly mikalo, mihira ny Anaranao
Hidera anao mandrakizay
Hanaka-danitra
Dera sy laza, ho an'Andriamanitra

Indreto izahay, tanora anao ry Ray
hanambatra ny feo, ho iray
hidera sy hankalaza, ny voninahitrao
hihira ny Anaranao

Ref :
EMIT Mikalo, EMIT Mikalo
EMIT Mikalo, fiderana!
Haleloia, Haleloia,
Haleloia a,Tsiky dia ampy Fiderana !

2. Lehibe tokoa ry Ray, ny fitiavanao anay
Faly miantsa, mihira ho Anao izahay
Fa nomenao ny Zanakao, hanala ny otanay
Dera sy laza ho Anao mandrakizay

Indreto izahay, tanora anao ry Ray
hanambatra ny feo, ho iray
hidera sy hankalaza, ny voninahitrao
hihira ny Anaranao

Ref :
EMIT Mikalo, EMIT Mikalo
EMIT Mikalo, fiderana!
Haleloia, Haleloia,
Haleloia a, Fiderana !

Mpihira : Emit Mikalo Fiderana(EMIFI)
Mpamaky : 66
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : fenosambatraelyse
Tamin'ny : 02/09/2021 10:53:53
ID : 13626

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo