Miverena (Charly Rakotoarimanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
“Miverena ianao miverena ianao
Hoy ny antsoko
Miverena ianao miverena ianao
Hoy ny antsoko”

Dia lasa tokoa ianao
Nandao ilay dina natao
Hametraka itony veloma
Handositra ilay olo-tiana
Mahantra aho raha toa lasa ianao
Kamboty aho hatramin’izao
Antsoiko eto ianao hoe :

Tsy an-tery anefa izao
Na hoe ditra natao
Fa teny ieràna natao
Teo imason’ireo havanao
Tsy menatra ve ianao
Handositra fotsiny izao
Antsoiko eto ianao hoe :

Ry tiana izay tiako taloha
Ry tiana izay mamin’ny fo
Tsy foiko anie ianao
Hanosy ilay dina natao
Miverena ianao sombiniaiko
Miverena ianao ry aiko
Antsoiko farany eto ianao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Charly Rakotoarimanga
Hits : 1763
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 26/08/2018 12:06
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0829