Satria mbola tiako ianao (Charly Rakotoarimanga)

https://tononkira.serasera.org/hira/charly-rakotoarimanga/satria-mbola-tiako-ianao

Hody, hody, hody aho satria tiako ianao
Hody, hody, hody aho satria tiako ianao

Tsy sitrako anie ny nandao
Na hoe ditrako natao
Fa menatra aho satria
Nataoko kilalao ny fitia
Mifona aminao aho sombiniaiko
Mamela ahy ry aiko
Satria mbola tiako ianao

Tezitra amiko ve ianao
Aoka re raha mbola azoTsiky dia ampy atao
Olombelona nofo anie aho
Ka nanosy ny dina natao
Aza omena tsiny anie aho
Raha miverina eo anilanao
Satria mbola tiako ianao

Nilaozako kely ange ianao
HitsapĂ ko izay tena hevitrao
Kanjo indrisy fa neniko izao
Ny nandavako iny antsonao
Indreo ny fianakaviana
Vavolombelon’ny fanambadiana
Satria mbola tiako ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Charly Rakotoarimanga
Mpamaky : 393
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 26/08/2018 12:15:08
ID : 10928

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo