Hafatra (Charly Rakotoarimanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andeha re mba ilazao izy
Andeha re mba ambarao izy
Izaho tsy afaka mankany
Fa manina an’I Dada sy Neny
Fa maninan’ireo havan-tiana
Andeha re mba ilazao izao hafatro izao

Izy hono hoe tsy afaka mankany
Satria ny fitia, ny fitia natakalony
Natakolony fianakaviana
Natakalony an’ireo hava-tiana
Andeha re ka miverena
Izy hono hoe tsy afaka mankany

Lala ô nahoana ny androm-pitiavana
No avela ho sembatsembanin’ny havana
Atao ahoana moa f’izao angaha no lahatra
Satria ny fitia, ny fitia tsy mifahatra
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/charly-rakotoarimanga/hafatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Charly Rakotoarimanga
Vangy : 902
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 26/08/2018 12:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.2646