Ray tsy mahafoy (Antsafi)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
RAY TSY MAHAFOYImpiry moa Ianao ry Ray
No efa nanome toky ahy hoe
Aza manahy! Fa tiako ianao tsy foiko e!
Izaho tsy ahafoy anao mandrakizay
Impiry impiry moa aho no nandre izany
Saingy mbola niherika hatrany
Nanao ratsy teo imasonao
Ka nanalavitra Anao ry Ray
Nanara-tsitra-po, diso lalana tokoa!
Zanakao malala aho nefa adala
Tsy kivy anefa Ianao ry Ray
Tsy sasatra ny nitsinjo ahy an-dalana
Naniraka an’i Jesoa mpamonjy
Ndrisy anefa fa mbola nilonjy
Soa ihany aho fa nahatsiaro ho reraka
Very, resy, voalatsa
Nahatsapa ny fitiavanao
Fa hay Ianao Jesoa Tompo
Tsy mba mandao
Ray o! hankalaza Anao Jesoa misaotra Anao
Ampaherezo aho Fanahy o!
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : AntsafiHits : 1008
Likes : 1 Like
Created by : zoandrianina
Date : 02/09/2015 23:49