Olon-tsotra (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Olon-tsotra sy malemy
Ity nantsoinao ho mpanompo
Mbola adala sy manjeny, Rovi-damba sy maloto
Olon’ory sy mahantra
Vovoka tsy mendrika
Efa zatra ny voalatsa, Ary koa voaenjika
         Enga ka homenao ahy ny zotom-po madio
         Hiasako ho Anao ry Ray mandrakizay doria
         Ray ô! Ianao irery no sahy manatona ahy
        Nanakombona ny fery, sy ny ratrako am-panahy
Ny fivavako mangina
Zay ventesiko ato anaty
No hanehoako fa any aoriana
Na ho faly aho na hiafy
Dia Ianao hatrany
No horeharehako
Mandram-pialako eto an-tany
N’aiza n’aiza alehako
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsafi
Hits : 995
Likes : 0 Like
Created by : zoandrianina
Date : 02/09/2015 23:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0943