Hainy atao (Antsafi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho anao voafidy, izay mandalo ady
Mety ho mafy ve ny olana mianjady?
Ka dia mila hiraviravy Tanana
E! tsarovy anefa ‘lay niantso anao
Jesoa Tompontsika izay tsy mandao
Mizaha toetra anao hatramin’izao
Izy anie ‘lay lova tsy mifindra
Sady koa mpamonjy mora azo indrindra
Eo amin’ny andro fahoriana
K’aza mihemotra fa mirosoa hatrany
Na halaim-panahy hoe irery izany
Tsy anao ny ady fa an’ny Tomponao
Izy anie ka manana hevitra hiheverana anao, Ka ario any ny tahotrao
Ny tsy finoana, tsy fankatoavana, tsy nambolen’izay fahazarana
Akifio fa sakan-dalana
Aza hisaina toerana ny hakiviana
Fa Azy ny ady fa ianao hangina
Mahatsiaro Izy hahatanteraka ny teniny
Ka hankasitrao sy ifalio hatrany
F’izay lazainy dia hainy izany
Mba ho fisedrana ny finoana
Na dia lazainao ho tsy mahita Azy ianao
Efa mby eo anatrehany ny ady
Ka ho hitan’A/tra eo foana izay hatao
Raha toa ka matoky Azy ianao ka tena manompo Azy ianao
Mbola tsy hitako izay marina nahafoy
Na ny zanany mangataka hanina
Miantra mandrakariva ireny ka mampisambotra
Ka mampisambotra ka mampisambotra
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antsafi
Hits : 1344
Likes : 1 Like
Created by : zoandrianina
Date : 25/08/2015 15:47
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735