Andeha isika ho any Bethehema (Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andeha isika ho any Bethlehema
Fa Mpamonjy no teraka ho antsika
Ao an-tanànan’i Davida

Fa Izy ary ilay nandrasana hatry ny ela
Andeha isika ho any Bethlehema
Hanavotra antsika taranak’olombelona
Hampihavana antsika amin’ny Ray
Hanafaka ny fahotana
Ho tonga sorona velona
Ho fanavotana antsika

Fa Izy no ‘lay Mpanjaka nanetry tena
Andeha isika ho any Bethlehema
Hampianatra antsika hahay manetry tena
Fa ny tranonomby nidirany
Mololo nataony fandriana
Ka zovy ary no tsy hangoraka
Ny nanjo ny Tompontsika

Hanokatra ny varavaran’ny lanitra
Andeha isika ho any Bethlehema
Hanafaka ireo izay migadran’ny fahotana
Hanilo hanazava ny lalana
Hizorantsika ho any Aminy
Hitari-dalana antsika
Ho tody soa ao an-tranony

Fa Izy ary no ilay hitsara ny mponin’ny tany
Andeha isika ho any Bethlehema
Hanandratra ireo madinika
Hampiakatra ireo ambany
Ny rariny fehin-kibo isinkinany
Ny marina ataony fitafy
Ny fitsarany ara-drariny
Fa fahamarinana Izy

AMALA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)
Hits : 983
Likes : 0 Like
Created by : Nampionona
Date : 24/06/2020 17:15
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778