Ilay Jehovah Ray (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Maro ny lalana naleha
Nandeha nivezivezy
Nitady izay mahasoa
Sahirana tokoa
Fa dia nahoana moa ?
Teo vao tsapako
F'ilay Jehovah Ray tsitoha
Nanolotra ho ahy tokoa
Ilay zanany
Izay tena malalany
Hamonjy ahy izay mania

Ref: Ilay Jehovah Ray
Rain'ny Mandrakizay
Hatramin'ny taloha
Dia tena tia tokoa
Satria 'Lay zanany
'Lay lahy tokany
Dia nampidininy
Hamonjy izay mania

2- Maro ireo mpiray tampo
Zay tokony hifanasoa
Tsy mba madio fo
Mifanao an-dolom-po
Fa dia nahoana moa ?
Teo vao tsapako
F'ilay Jehovah Ray Tsitoha
Be fitia Be indrafo
Ka ny hany lalana
Ho mari-pihavanana
'Ndeha hifandray tanana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira MORIA
Hits : 549
Likes : 1 Like
Created by : andrytianarajoelison
Date : 13/02/2022 10:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732