Rotsim-panahy (Railovy)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Railovy
Mpamaky : 993
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 27/10/2001 00:10:47
ID : 154

Imprimer Facebook Facebook
Miantefa toa ako
Manihina anaty,
Vetsoventso navalona an-kira,
Manambara fitoniana,
Fitoniana tsy voafaritra
Rova hisambaran’ ny fanahy.

Hatraiza ny fetran-kira ?
Inona ny fiainana eto ?
No mionona mangina ny ao am-po
Mandre ny rotsirotsinareo
Toa fisarahana,
Sy ireo hira mamy
Toa.. fanahy !

Fanahy mivetso
Ny fiainana mandalo,
Toa ny alina iray mampahory,
Mitahiry nofinofy,
Nofy tsy hay fantarina
Nefa feno rotsin’ ny fanahy

Ny Railovy
Tonony : J. Randria , 1959
Feony  : Solo Alphonse Rakotomavo


http://www.geocities.com/TheTropics/Shores/2640/

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo